Publié le 19 mars 2022
Ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa no nidina tany Tomasina ny filoham-pirenena, nanamarika ny fanombohana ofisialy ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2 mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay simba tanteraka tamin’izany fotoana izany. Tsy azo lavina fa nisy tokoa ny fanamboarana ity lalam-pirenena ity taorian’izay, saingy petatoko tanteraka satria ankehitriny dia simba sahady ny lalana ary mampitaraina ireo fiaram-pitaterana mampiasa azy. Raha ny fantatra, araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo kaoperativa mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenana faha-2 dia zara raha vita ny lalana satria natao petatoka fotsiny. Ankehitriny, indrindra fa taorian’ireny rivo-doza sy andro ratsy nandalo teto amin’ny firenena ireny dia simba tanteraka ny lalana ary mampijaly ireo mpampiasa azy. Raha tokony ho ora 6 na 7 no anaovanan’ny Taxi-brousse ny lalam-pirenena faha-2, dia lasa ora 11 no anaovana izany, ankehitriny, noho ny fahasimban’ny lalana.
F.Tsihiavonana