Publié le 19 mars 2022
Misy fandaharana iray mitondra ny lohateny hoe “tsy ho tompon-trano mihono”, izay avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny vahoaka isaky ny zoma, ary mandeha amin’ny haino aman-jery isan-tokony. Tsy hiditra amin’ny vontoatin’io fandaharana io isika eto fa hampifandray an’izay fandaharana izay amin’ilay famakiana ny “fandaharan’asa ankapobenin’ny fanjakana” (Programme General de l’Etat) teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Raha ny fahazoana ny antony nampamakiana indray an’io “Fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana” io ka nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jery dia mba hahafahana mamatotra andraikitra an’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta indray, na ny vaovao na ny teo aloha na ny mbola ao anatiny. Io “Fandaharan’asa ankapoben’ny Fanjakana” io mantsy dia nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny Antenimierampirenena. Akory anefa ny hagagan’ny rehetra fa fony io “fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana” io novelabelarina sy novakiana teo anoloan’ny solombavambahoaka dia tamin’ny fiteny Malagasy no nanaovana azy fa ny tamin’ity novakiana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ity dia tamin’ny fiteny vahiny (frantsay) no nanaovana azy.
Na tsy navoaka tamin’ny haino aman-jery aza ny famakiana an’io tamin’ny teny frantsay io fa hoe teo anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra fotsiny dia efa midika ho tsy fanarahana ny lalampanorenana loatra satria tsy misy na iray aza eo anivon’ny governemanta ka vahiny tsy mahay ny teny Malagasy, ka nahoana no tsy natao tamin’ny fiteny Malagasy ? Ny minisitra vahiny misahana ny diplaomasia malagasy farany teo (Patrick Rajoelina) efa nesorina. Fa ny tena tsy azon’ny fisainana hoekena na holeferina dia ilay izy novakiana ka nampitaina tamin’ny haino aman-jery. Izany hoe ho an’ny vahoaka. Fanaovana tompon-trano mihono ny ambanilanitra izany satria firy isan-jaton’ny vahoaka Malagasy moa no mahay ny teny frantsay? Nefa ny vahoaka no noheverina hampahatsiahivana an’iny Fandaharan’asa ankapoben’ny Fanjakana iny mba hahafahan’ny vahoaka manara-maso akaiky ny mpikambana eo anivon’ny governemanta amin’izay ataony avy.
Ny tarigetran’ny fitondram-panjakana tamin’ny famakiana an’iny Fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana iny ho an’ny vahoaka dia goavana satria efa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2019 no namakiana azy iny teo anoloan’ny Antenimierampirenena ary nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jery. Tsy tompon-trano mihono ny vahoaka tamin’izany, ka ho fampahatsiahivana azy, dia tsara ilay hevitra fa ny nanaovana azy tamin’ny teny vahiny dia tena fanaovana ny vahoaka ho tompon-trano mihono.
Ankoatra izany, tokony nohavaozina iny Fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana iny satria efa nisy fiovana goavana ny toe-draharaha ankapobeny amin’izao fotoana, indrindra fa taorian’ny roa taona izay nandalovan’ny aretina Covid 19 maneran-tany izay, dia takian’ny fanarenam-pirenena sy ny fampivoarana ny fiainam-bahoaka ny fanavaozana azy iny. Azo atao tsara izany mba hahafahana mamerina ny risi-pom-bahoaka hiatrika ny raharaham-pirenena ato anatin’ny herin-taona sy tapany alohan’ny hifanatrehan’ny filohampirenena ankehitriny amin’ny fitsaram-bahoaka indray.
Tsimba